|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Antsam-pitiavana |
| Singan-teny | 2 antsa, 3 fitiavana |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
7 8 Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako… 9 Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako… 10 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako 11 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… ! 12 Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko… 13 Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko ! 14 Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy ! 15 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy ! 16 Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako ! 17 Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako! 18 Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany ! 19 Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio… 20 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio : 21 Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany ! |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|