|
|
|
|

Teny iditra (1/7)1 no-
Sokajin-teny  2 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  3 the sign of the past tense of derivative passive verbs commencing with a consonant and formed by affixes. Comp. n-. [1.2]
4 particle or prefix indicating the past tense of passives, as: terèna (passive verb) and noterèna (to have been pressed or compelled) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 particule ou préfixe qui indique le temps passé des verbes passifs; exemple: terèna (qu'on presse, qu'on constraint) et noterèna (temps passé) [1.8]

Teny iditra (2/7)6 no
Sokajin-teny  7 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  8 Teny kely:
1) Enti-mampitohy ny teny lazaina amin' ny teny enti-milaza ka manavaka azy amin' ny hafa: Rakoto no sakaizako, (fa tsy Rabe na Ranaivo).
2) Enti-manondro mafimafy kokoa ny toerana na fotoana, izay apetraka ery an-dohan' ny fehezanteny: Amin' ny telo no handeha izahay / Eto no hilasy isika (mafimafy kokoa ny fanondroana ny fotoana sy ny toerana amin' ireo noho ny amin' ny hoe: Handeha izahay amin' ny telo. Hilasy eto izahay).
3) Fametraka eo aorian' ny teny enti-manontany: Rahoviana no hiverina ny zokinao? / Taiza no nifanena ianareo.
4) Fametraka eo an-doha-fehezanteny mba hoenti-manontany anton-javatra, mitovy amin' ny hoe "nahoana": No tsy mamaly ianao kanefa anontaniana?
5) Fanao ao anatin' ny fehezanteny iray izay toa miantso, na mitaky ny antony nahatonga: Izy no nilazana izany, tetika handroboana anao / Ny handrina no tsy naniry volo, ny henatra.
6) Mifamaly amin' ny sady ka enti-milaza toetra na asa roa miaraka: Sady lehibe no tsara / Sady mifofotra no mively vy.
7) Arahin' ny "ho" ka ireo teny roa ireo amin' izay milaza fiaingana sy fiantefana, na ilazana toerana izany na fotoana: Hatreto no ho mianavaratra dia sahan-dRakoto daholo/ Mandoa saran-dalana ny ankizy dimy taona no ho miakatra amin' ny fiarambahoaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 a determinative emphatic particle. For a full and concise explanation of the use of this word see "Concise Introduction to the Malagasy Language," by Rev. W.E. Cousins, or "Malagasy for beginners," pp. 82, 83. When followed by ho it implies motion towards, as: no ho mankatỳ, no ho midina, no ho mianavaratra [1.2]
10 of sentence inversion, emphatic and exclusive, as: izy no nanao izany: it was he who did that [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 c'est ... qui: izy no nanao izany: c'est lui qui a fait cela [1.8]
Kamban-teny rehetra  12Fikambanana 13 amin' io teny io

Teny iditra (3/7)13 no
Sokajin-teny  14 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  15 a contraction of noho [1.2]
Kamban-teny rehetra  16aiza no

Teny iditra (4/7)17
Sokajin-teny  18 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  19 raha: Nô avy ny orana, da tsy miasa aho [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (5/7)20 no    
Sokajin-teny  21 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  22 tsia
tsy misy
latsa-bato mandà [1.17]

Teny iditra (6/7)23 No    
Sokajin-teny  24 anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  25 Singa mivaingana, faha-102 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  26 Nobelium. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  27 Nobélium. [3.1]
Voambolana  28 Simia
Tsanganana sy sary iray takila  29 Fisokajiana miherina

Teny iditra (7/7)30 No
Sokajin-teny  31 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  32 No [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  33 No [2.996]
Voambolana  34 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  35Toko sy andininy momba No

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11