|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  paiso
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Hazo fihinam-boa, izay matsiro sady be ranony ny voany ary misy taolany: Tafatsiry indray ny maitso / Eo an-tokotaninay / Rako-pelana ny paiso / Mavokely ranoray. (Dox) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 the peach tree; its fruit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 pêche; pêcher [1.8]
6 (du français : pêche). Nom donné aux pêches et aux prunes, ainsi qu'aux arbres qui les produisent : Prunus persica L. Batsch. ( Rosaceae), le pêcher.
7 Voir aussi paisogasy, pesolahy. Prunus domestica L. ( Rosaceae), le prunier ; Voir paisombazaha .
8 Ces arbres fruitiers originaires des régions tempérées prospèrent bien sur les hauts plateaux et donnent lieu à des cultures assez importantes.
9 L'Institut de la Recherche Agronomique de Madagascar (I.R.A.M.) a publié en 1964 un traité d'arboriculture fruitière adaptée à Madagascar, en 2 volumes, dû à P. Montagnac.
10 C'est actuellement l'ouvrage le plus complet sur la question. [Merina] [1.196]
Ohatra  11  Foto-paiso ringidringitra no mijoro toa mpiambina sahabo ho indroa mandingana miala amin' ny lalana. [2.470]
Voambolana  12  Haizavamaniry: voankazo
Tsipelina hafa  13 peso
Kamban-teny rehetra  14  Fikambanana 4 amin' io teny io
Anarana ara-tsiansa 
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)18  Paiso
Singan-teny  19 paiso
Sokajin-teny  20  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  21  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  22 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  23 
24  Tafatsiry indray ny maitso
25  Eto an-tokontaninay,
26  Rako-pelana ny paiso
27  Mavokely rano iray

28  Tafafoha maraina aho
29  Hifoka izato rivo-manitra
30  Eny an’elanelan-taho
31  Manga ery ny volon-danitra

32  Eny ambony rantsan-kazo
33  Indreny vorona mivazo
34  Am-panaovana ny akany...

35  Toa hisy azy fatratra
36  Ny lohataona vao misantatra
37  Any ambanivohitra any !

Fivaditsoratra  38 apiso, 39 aposy, paiso, Paiso, 40 paosy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27