|
|
|
|

Teny iditra (1/9)1  A  ~  a    
Sokajin-teny  2  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  3 Tarehintsoratra voalohany amin'ny abidy latina, na romana
4 izay noraisin-dRadama I hanoratana ny fiteny malagasy efa
5 nosoratana tamin'ny soratra arabo, natao hoe sorabe,
6 talohan'ny nahatongavan'ny vazaha nampianatra teto Antananarivo -
7 dia sergent Robin (Frantsay, 1819) sy David Jones (Jonjilava),
8 misionera protestantra voalohany avy amin'ny L.M.S (taona 1820).
9 -- ALEPH no anaran'ny A amin'ny abidian'ny Foinikana (Fenesiana)
10 inoana ho niandohana; ny Grika, nandray avy amin'ny Foinikana,
11 nanome anarana azy hoe ALPHA, izay nakan'Romana ny azy kosa;
12 ary ny an'ny Romana dia nolovan'ny vazaha rehetra.
13 Noho ny fitovitoviana endrika amin'ny lohan'ombilahy, hono,
14 no nanaovan'ny Foinikana azy hoe Aleph.
15 Tarehintsoratra voalohany amin'ny abidian'ny Semita
16 (Jiosy, ets.) koa ny Aleph (Salamo 119, Fitom. Jer. 3)
17 
18 Zanatsoratra voalohany, no feo tsotra indrindra avoaky ny vava,
19 tsy misy manano sarotra, na ny lela na ny lanilany,
20 na ny nify, na ny molotra. -- Misy heviny samy hafa ny feon'ny A,
21 amintsika Malagasy. [1.10]
22 Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  23 The first letter of the Malagasy Alphabet; in accented syllables it has the open sound of a as in father, but a somewhat lighter sound in unaccented syllables. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  24 Première lettre et première voyelle de
25 l'alphabet malgache; il se prononce
26 comme l'a français dans papa. Il est
27 plus ou moins muet à la fin des mots,
28 à moins que la finale ne soit accentuée.
29 Uni à i il forme la diphtongue ai qui se
30 prononce comme dans le mot français
31 rayon. Uni à o il forme la diphtongue
32 ao qui se prononce âou, mais ou n'est
33 ordinairement bien sensible qu'à la fin
34 des mots. Quand a est préfixe d'un participe passif et uni à i ou o, chaque voyelle se prononce séparément: Aîdina
35 (idina), qu'on verse; Aôrina (orina),
36 qu'on construit [1.3]
Mpanahaka  37  abidy
Kamban-teny rehetra  38 fanainga fototra a
Tsanganana sy sary iray takila  39  Ny abidia
Lahatsoratra  40 Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy
Sary 

Teny iditra (2/9)41  a
Sokajin-teny  42  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  43 alefa malefadefaka somary halavaina, mankany amin'ny lanilany: milaza hagagana:
44 A! hay va re io izany izy io e.
45 feo fohifohy, henitra, somary midoboka, mitrenavy any an-tenda:
46 anambarana ny hafaliana noho ny fahitana zavatra mby
47 amin'ny aniriana azy: A! afa-doza lahy hianao.
48 -- Feo fanakorana koa, namanaman'ny "sakory izay!"
49 -- A! vaky ny laingany. [1.10]
50 "A..a..!" feo somary akarina avo dia aolika vao apetraka tsimoramora,
51 ary
52 toy ny sisihana h: fandavana.
53 feo somary akarina dia midina
54 tsimoramora, omban-tsento kely: manambara fanahiana loza.
55 -- Raha feo mivelatra, omban-kafaliana:
56 manambara fahafahana amin-doza.
57 "A..â..!" feo mafimafy, mihamivelatra:
58 milaza hatahirana, hatalanjonana.
59 A..â..! hianao ve no mahavita izao amin'ny sakaizanao?
60 "A!" feo mivelabelatra atao ao aorian'ny
61 anaran'ny antsoina, amin'ny mitovy saranga, na ny ambanin'ny tena.
62 -- Dia averin'ny antsoina manoina koa io à io,
63 somary halavalavaina: Rabe à!
64 -- A..à! -- ô! no fiantso sy fanoina manaja.
65 Rabe ô ô..o;
66 (na: Ahoana tompoko!). [1.10]
67 tononina mivelatra, mafimafy, ao aorian'ny anarana (nom), ny m.a.
68 (verbe passif), sy ny m.r. (participe), dia milaza:
69 (1) ny tompon-javatra:
70 entan(a) à miaramila,
71 tongotr(a) à bitro,
72 menak(a) à trozona;
73 (2) ny mpanao:
74 nokaikerin'à maingoka izy,
75 norobain'à jirika ny mpivarotra;
76 (3) ny hery, ny asa:
77 raharaha tsy vitan'à dimy lahy,
78 vilany tsy azon'à loso.
79 Asa izay tokony hametrahana io kianteny sombiny kely io amin'ny karazan-teny,
80 na hatao ph. (mpampitohy, préposition), na d.a. (mpanondro anarana, article)
81 na inona. Lazain'Ingahy L. Dahle fa hita ao amin'ny fiteny maley izy io,
82 saingy NA amin'ny an-dry zareo. -- Asa izy ity na mety hiray fototra amin'ilay tapa-teny
83 hoe ANA, mbola miasa ihany eto Imerina sy any Betsileo, ets.:
84 ANA-Vazaha sa ANA-Malagasy ity trano ity? ANA-Malagasy io; tranon'à
85 Malagasy io.
86 -- Ny hevitry ny teny asiana ity à ity dia sahalahala amin'ny
87 tsy misy azy ihany, angamba manisy heriny na fanavahana kokoa:
88 enta-miaramila, asa vitan-dimy lahy, nokaikeri-maingoka, vilany tsy azon-doso, ets.
89 Asa koa izay mety ho fanoratra azy io, na ny asiana (solon-janatsoratra)
90 toy ny atao eto, na ny akambana amin'ny teny voalohany:
91 "mifombana matoanteny", hoy izahay, Fitarihan-teny, tak.12. [1.10]
92 feo enti-mamaly antso akaiky: A! (Ahoana!, Ahoana tompoko!) [Tsimihety] [1.78]
93 Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy
94 na olona tsy dia hajaina firy:
95 O ry Koto a, ento atỳ ny famaky.
96 Enti-milaza fahatahirana, figagana:
97 A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa!
98 Enti-miangavy somary mihanta ary manantitrantitra:
99 Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny;
100 izany ange, ry neny a!
[1.1]
Fanazavàna teny anglisy  101 An exclamation of surprise and approbation; Ah! There now! It is also used like o or e after names, as Rabe a! [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  102 Sert à appeler: Boto a! Eh! Boto.
103 Marque la surprise, l'admiration, l'approbation, etc.
104 A! hadinoko ny lakile. Tiens! j'ai oublié la clef. [1.3]
105 Hé! Ah! Hein!
106 1. Sert à appeler (entre personnes de même condition sociale).
107 Rakoto a! Hé! Rakoto! (cf. e, ô).
108 2. Marque un sentiment de surprise et d'étonnement.
109 A! hadinoko ny nilaza tamin'i dadatoa Rabe.
110 Ha! J'ai oublié d'informer oncle Rabe.
111 3. Interjection de renforcement.
112 Izao a no lazaiko anao.
113 Voici, hein, ce que j'ai à te dire.
114 Jereo tsara a.
115 Regardez bien, hein! [1.5]
116 Marqueur interjectif: à la fin d'une phrase interrogative,
117 renforce l'interrogation.
118 Anareo taroy iñy ny avy atoy io a?
119 "C'est bien vous que nous avons rencontrés là-bas
120 et qui êtes ici maintenant, hein?" [Tanala] [1.6]

Teny iditra (3/9)121  a~
Sokajin-teny  122  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  123 apetraka eo alohan'ny fototeny dia mahatonga ny karazan-teny mpampitohy
124 (préposition): aloha, amorona, ets.
125 Naman'izany koa ny A, Am, An, amin'ny anaran-toerana: Anosy, Ambondrona,
126 Antananarivo. Ankevitry ny ho tovona ihany koa ny a iantombohan'ny
127 teny sanany, toy ireo ilazana ny lafiny efatra amin'ny toerana:
128 avaratra,
129 atsimo,
130 andrefana,
131 atsinanana,
132 saingy tsy tena fantatra mazava izay hevitry ny fototeny tovonany.
133 Atovona ny fototeny dia mahatonga m.a. (verbe passif) milaza ny iharan'ny atao:
134 atao, ajanona, mitovy hevitra amin'ny m.a. fototeny mitovana:
135 alaza, lazaina;
136 aboroka, borahina;
137 atoto, totoana.
138 Matetika tsy misy m.a. mitovana namany tsy akory:
139 aiditra,
140 apetraka.
141 Indraidray kosa m.a. milaza ny enti-manao:
142 adidy ny antsy;
143 atorako ny vato. -- Raha miantomboka amin'ny a ny fototeny dia
144 ankevitry ny tokony hisy a anankiroa ny m.a.:
145 ato, aato;
146 adana, aadana;
147 anefa mazàna volena h ao anelanelan'ny a roa:
148 ahato; na ny matoanteny mitovona no anaovana ny m.a.:
149 ampiatoina, ampiadanina. [1.10]
150 Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia:
151 a) ny matoantenin'ny atao, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao"
152 na "asaina" na "avela"...:
153 Aato: asaina miato;
154 ajaridina: avela hijaridina.
155 b) ny matoantenin'ny fitaovana, izay enti-milaza ny zavatra
156 "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray:
157 Adaka: entina mandaka;
158 adidy: ampiasaina handidy. [1.1]
159 Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray
160 manomboka amin'ny m na n:
161 Amorona (an-morona),
162 anosy (an-nosy). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  163 A verbal prefix joined to roots and forming a passive verb. Thus from fafy, sowing, we get afafy, used of the seed sown, in correlation to the passive verb fafazana from the same root, used of the ground sown. [1.2]
164 A prefix used like an-, am-, and i-, to make a noun into a preposition; e.g. morona, (the) edge, amorona, at the edge; nosy, an island, anosy, on an island, etc. [1.2]
165 An addition made by some of the tribes to nouns beginning with o, as aomby for omby, an ox; aondry for ondry, a sheep, etc. [1.2]
166 Prefix used to form passive verbs which typically indicate
167 an intermediate position, as:
168 ahosotra, to be smeared or painted on something;
169 cf. hosorana, to have something smeared or painted on it. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  170 1. Sert à former des participes passifs:
171 Lamba ahahy, linge qu'on fait sécher;
172 menaka ahosotra, graisse pour oindre.
173 2. Sert à former quelques adverbes et prépositions,
174 et équivaut à an, am, amin': Afovoany,
175 au milieu;
176 amorona (morona), au bord;
177 anosy (nosy), à l'île. --
178 Tsy a-, tsy an-, tsy am-, sans.
179 Tsy anify, sans dent.
180 Tsy an-dray, sans père;
181 Tsy am-peo, sans voix, enroué. [1.3]
182 1. Préfixe des verbes passifs.
183 Avela, qu'on laisse.
184 2. Préfixe des verbes instrumentifs.
185 Adidy, avec quoi on coupe.
186 3. Préposition
187 Amorona, au bord de. [1.5]
188 Préfixe qui sert à former des verbes passifs;
189 ces verbes indiquent souvent une position intermédiaire;
190 par exemple:
191 ahosotra, qu'on applique comme enduit;
192 cf. hosorana, à quoi on met un enduit. [1.8]
193 1. Préfixe verbal: sert à former des passifs
194 (passifs substantifs et passifs instrumentaux).
195 Apetraka, qu'on pose.
196 Afatotra, avec quoi on attache. [Tanala]
197 Préfixe: sert à la formation des loco-démonstratifs
198 de lieu invisible:
199 atoy, là (à un endroit qu'on ne voit pas). [1.6]

Teny iditra (4/9)200  -a
Sokajin-teny  201  Tsy lazaina
Fanazavàna teny frantsay  202 Marque de l'impératif des verbes actifs et des adjectifs.
203 Mandrosoa! Entre, entrez!
204 Soava! Sois bon, soyez bons. [1.5]

Teny iditra (5/9)205  a
Sokajin-teny  206  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  207 1. Dans, à. A faritany Ifanadiana,
208 dans le district d'Ifanadiana.
209 Mandria a hohotra moa en-draike,
210 "Que l'un dorme au pied [de l'autre]". [Tanala]
211 2. Dans, lors de...
212 Añy a fandrombezany añe,
213 là-bas, dans sa quête.
214 A Talata anareo mitongava atoy,
215 "Revenez ici mardi".
216 3. Selon. A fomba atoy,, selon la coutume ici.
217 4. Entre dans la formation de syntagmes prépositionnels:
218 afovoany, au milieu.
219 Entre dans la formation de pronoms temporels:
220 ahariva, le soir, ce soir.
221 5. Devant un nom de lieu:
222 Ka io a Zingahamba eo, et ce village appelé Zingahamba. [1.6]

Teny iditra (6/9)223  a    
Sokajin-teny  224  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  225 iray, anankiray. [1.17]

Teny iditra (7/9)226  à    
Sokajin-teny  227  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  228 amin', an', ao amin', avy amin'ny, ao, any, ao an-, hatrany.
229 Il a une manière à lui:
230 manana fomba azy samy irery izy.
231 De vous à moi: amintsika.
232 Un à un: tsirairay.
233 Vache à lait: omby terana. [1.9]

Teny iditra (8/9)234  a    
Sokajin-teny  235  endritenin' ny hoe avoir

Teny iditra (9/9)236  a    
Sokajin-teny  237  mpampiankin-teny [Fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20