|
|
|
|

Teny iditra1  abaribary
Fototeny  2 baribary
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4 Sokafana tsara
5 Aseho miharihary tsy misy miafina: Nabaribarin' ny mpitsara ny heloka vitan-dRakoto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 to be made clear or bright [1.2]
7 to be made public, to be made known [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 qu'on écarquille [1.3, 1.8]
9 à écarquiller [1.3]
10 qu'on expose à la vue; être rendu public; qu'on révèle [1.8]
Ohatra  11  Ny masony fotsiny no nabaribariny toa mba olona nianatra sy mahay mamaky teny ery [2.470]
12  Bikàna izy, fa ny fihetsiny tsy rototra sy ny habaribarin' ny masony feno fihantsiana hafahafa no efa nanintona tovovavy maro indrindra. [2.5]
13  Tsy maintsy lazaina mazava ho fanta-bahoaka ny iraka ampanaovina azy ireo ary tsy maintsy abaribary hoe ohatrinona marina ny sazy naloa sy ny lalana nomban' ny entana nogiazana. [4.27]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12