|
|
|
|

Teny iditra1 afa-baràka
Singan-teny  2afaka, 3baka
Sokajin-teny  4 kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 afa-boninahitra [Taisaka] [1.78]
6 very voninahitra, afa-boninahitra, very haja: Afa-baraka ianareo mianakavy tamin' ny nafitsoky ny zanakao
Voafitaka: Afa-baraka aho nitonantonana tany; hay efa nifindra ianareo ka tsy nilaza akory
Simba: Afa-baraka ilay laoka vao novidina fa nihosim-bovoka eran' ny tokotany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 disgraced, dishonoured [1.2]
8 put to shame [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 déshonoré [1.3, 1.8]
Ohatra  10 Nataony afa-baràka teo imason' olona ilay tsy nahaloa trosa [1.62]
Tsipelina hafa  11afa-boròka
Tovy hevitra  12afa-pofona
Ohabolana  13 Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02