|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  akora
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Antsoantso mafy, mety ho mari-pifaliana entina mihoby na midera, na ho mari-panesoana entina mandatsa na manebaka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 shouting, applause; a noise such as is made over a conquest, or in time of joy. See hoby, horaka.
5 Foy ny akora (there is a burst of shouting)
6 Velona ny akora (the shouting breaks out) [1.2]
7 shouting; jeers [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 acclamation; huées [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  21  Fikambanana 6 amin' io teny io
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)23  akora
Sokajin-teny  24  anarana
Fanazavàna teny malagasy  25 sifotra (an-tanety na an-drano) [Tanala] [1.78]
26 Sifotra [Tambahoaka, Taifasy, Taimoro, Taisaka, Bezanozano, Tanosy] [1.78]
27 Fonom-biby na fonon-javatra, fotsifotsy, mafy, mitovy toetra amin' ny sokay, izay miforona avy amin' ny zavatra mandrakotra ny biby ihany: Ny akoran' ny sifotra, na avy amin' ny zavatra haniny: Ny akoran' atody [1.1]
28 sifotr' ala [Sakalava] [1.1]
29 fonon'atody; fono mandrakotra ny sifotra [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  30 a shell; a shell-fish. [1.2]
31 seashells; coral [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  32 coquillage; la coque des oeufs [1.8]
33 coque, coquille [1.13]
Voambolana  34  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Kamban-teny rehetra  35  Fikambanana 9 amin' io teny io
Sary 

Teny iditra (3/3)36  akora
Sokajin-teny  37  anarana
Fanazavàna teny malagasy  38 vato na mineraly tsy voadio [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  39 minéraux [1.13]
Tovy hevitra  40 akorambato
Kamban-teny rehetra  41  Fikambanana 21 amin' io teny io

Fivaditsoratra  42 akaro, akora, 43 karao, 44 koara, 45 oraka, 46 raoka, 47 roaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17