|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ampahany
Sokajin-teny  2  anarana ampaha sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy  3 Fizarazarana mitovy ny venty na vongana iray ka ny filaza azy amin' ny kajy dia amin' ny alalan' ny tarehimarika roa mifanao ambony sy ambany sarahin' ny tsipika roa, ka ilay ambany milaza ny isa nizarana ny vongana, ary ilay ambony, ny isa nalaina tamin' ireo fizarazarana, ohatra 3/7, ampahany milaza fa nozaraina 7 ny venty ka 3 no nalaina tamin' izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a fractionnal part [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 une partie, une fraction [1.8]
Mpanahaka  6  ampahadiminy, 7  ampahafitony, 8  ampahafolony, 9  ampahasiviny, 10  ampahatelony, 11  ampahavalony, 12  ampahazatony, 13  ampahefany, 14  ampaheniny
Kamban-teny rehetra  15 isa ampahany

Teny iditra (2/2)16  ampahañy
Sokajin-teny  17  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  18 mandritra [Taisaka] [1.78]

Fivaditsoratra  ampahañy, ampahany, 19 manapiha, 20 manipaha, 21 mpiahana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27