|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Andriamisara |
| Sokajin-teny | 2 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Niteraka roa lahy Andriamandazoala, dia i Tsiranto na Andriamisara sy Rahiala na Andriamandresy.
4 Nanjaka nandimby andrainy tao Bengy Andriamandresy. 5 Misy mpitantara milaza fa tsy mba nanjaka Andriamisara fa ombiasy nandamina ny fombafomba samihafa fanao amin'ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka. 6 Tamin'ny andron'izy mirahalahy no voalamina ho fombam-panjakana ny fivavahana amin'ny razan'ny Mpanjaka sy ny dady (nify, hoho, volo,... 7 nalaina tamin'ny Mpanjaka niamboho ka tahirizina manokana toy ny zava-masina). 8 Milevina ao Bengy izy mirahalahy. 9 Ny ankamaroan'ny mpitantara dia milaza fa Andriamisara no rain' Andriandahifotsy. [2.508#116] 10 Roalahy ny zanak' Andriamandazoala dia Andriamisara sy Andriamandresy izay samy milevina ao Benge. 11 Andriamisara no rain' Andriandahifotsy, mpanjaka nalaza tany Menabe. [2.113#17] |
| Kamban-teny rehetra | 12 Andriamisara Efa-dahy |
| Fivaditsoratra | Andriamisara, 13 mandrairaisa |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|