|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 avana |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 antsibenandriamanitra
[Betsimisaraka]
[1.78] 4 Zava-miseho indraindray eny amin' ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin' ny lanin' ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena, volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 the rainbow
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 arc-en-ciel
[1.3#67, 1.8] 7 nimbe, lumière, éclat, splendeur [1.3#67] |
| Ohatra |
8 jereo ange iry avana!
[2.324]
9 Rehefa vita ny famonoana dia latsaka ny erika, ary nisy avana [2.649] 10 manana ny lokon'ny avana, na antsibenandriamanitra, tsara tarehy aoka izany. [2.314] |
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 12 Haitoetrandro |
| Tovy hevitra | 13 antsibenandriamanitra |
| Kamban-teny rehetra | 14 kofehy misary avana |
| Lahatsoratra | 15 Randzavola: avana ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (2/2) | 16 avana |
| Fototeny | 17 ava |
| Sokajin-teny | 18 matoantenin' ny iharana |
| Fanazavàna teny malagasy |
19 Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminy: Efa tokony havana ity tanimbary itỳ fa be loatra ireo ahidratsy
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
20 to be weeded
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
21 qu'on sarcle
[1.3#66, 1.8] |
| Haiendriteny |
|
| Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 27 anava, avana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|