|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 balaonina |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 [fr. ballon] zavatra boribory goavana feno gaza maivana noho ny aera ka misavoana eny amin' ny habakabaka ary dia atosiky ny rivotra na ampandehanin' ny milina; nasiana fitoerana karazana lakam-piara mifatotra aminy izay nisy ny olona mpandefa sy ny mpandeha. Azo lazaina ho razam-ben' ny aeroplanina ny balaonina
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
4 ballon, dirigeable
[3.1] |
| Voambolana | 5 Fitaterana |
| Teny iditra (2/2) | 6 balaonina |
| Sokajin-teny | 7 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
8 Kilalaon-jaza vita amin' ny tenan-javatra manify dia manify (fingotra, kanikanin-kena) izay bontsinina amin' ny rivotra: Nividy balaonina telo ho an' ny zanany izy tamin' ny fety, nefa tsy nisy tapak' andro akory dia vaky daholo izy telo[1.1] |
| Voambolana | 9 Kilalao |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|