|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  Barsabasy
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa
4 (and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra
5 ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao
6 Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny
7 taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa,
8 ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia
9 nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda
10 Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy
11 fantatra marina izany. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  12 Judas Barsabas [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  13 Jude Barsabbas [2.996]
Voambolana  14  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  15 Toko sy andininy momba Barsabasy

Teny iditra (2/2)16  Barsabasy
Sokajin-teny  17  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  18 Josefa Barsabasy. Natao hoe Josto koa
19 izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany
20 izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota
21 (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika
22 fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny
23 niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22).
24 Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo
25 lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy
26 Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  27 Joseph called Barsabas who was surnamed Justus [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  28 Joseph Barsabbas [2.996]
Voambolana  29  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  30 Toko sy andininy momba Barsabasy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17