|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  eglizy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Trano ivorian' ny kristianina katolika ka anatrehany ny fombam-pivavahana samihafa
4 (Mazàna mizara telo manaraka ny lavany ny atin' ny eglizy ary misy andalan' an-dry roa mifanindrana mampisaraka azy ho telo ka mahatonga azy hibikan-tsambo amin' izy kely sakana nefa lava mitsoroaka; amin' ity hevitra itỳ ny eglizy dia atao hoe koa leglizy, na trano leglizy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a church building [1.7]

Teny iditra (2/2)6  Eglizy
Sokajin-teny  7  anaran-tsamirery (olona)
Fanazavàna teny malagasy  8 Fitambaran' ny kristianina iray filoha sy iray foto-pampianarana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 the Catholic church [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 l'Eglise Catholique [1.8]
Ohatra  11  misy tokoa boky sasantsasany raran'ny eglizy tsy hovakin'ny zanany; [2.313#]

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12