|
|
|
|

Teny iditra1  elefanta
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta;
4 ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  5 éléphant [1.3]
Ohatra  6  Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany; [2.4]
7  Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. [1.38]
8  Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. [2.117]
9  Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. [2.508]
Voambolana  10  Haibiby: mampinono
Tovy hevitra  11 trepo

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17