|
|
|
|

Entry1  Eritreritra fahavaratra
Elementary words  2  eritreritra, 3  faha~, 4  varatra
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text  8  Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
9  Ny alina madiva,
10  Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
11  Ka hitondra any ho any...
12  Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
13  Toa reraka, manahy?
14  Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
15  Izay mameno, no injao
16  Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina
17  Toa rano nafanaina?
18  Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
19  Ny jiroko. Matory
20  Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.
21  Aiza ho aiza no miery,
22  Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
23  Avia mamoaka feo,
24  Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
25  Izay tena teninao,
26  Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...
27  Mitenena, ry Fanahy.
28  Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;
29  Mangina koa ny tany,
30  Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,
31  Tsy misy tsy mba tony...
32  Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
33  Ny fitiavako handre
34  Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!
35  Tsy mbola tena sambatra,
36  Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
37  Ka he! mitaintaina!
38  Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.
39  Ny andro dia madiva
40  Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany
41  Ka hamerina avy any...
42  Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy
43  Toa trotraka, manahy?
44  Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
45  Izay namonto, no injao
46  Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,
47  Toa rano nafanaina?

Updated on 2025/10/11