|
|
|
|

Teny iditra1  famadihana
Fototeny  2 vadika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 fanaovana zavatra hiamboho, na hivadika ka ny ambony lasa ambany
5 fampisehoana ny ila na lafiny tsy mbola niseho: Ianao no hampiandraiketina ny famadihana ny boky
6 fiovan' ny olona nitokisana nanjary mpamely na fahavalo: Ny famadihana tanindrazana no isan' ny heloka bevava indrindra
7 fomba arahin' ny foko malagasy sasantsasany ho mari-panajana ny Razana sy fangataham-pitahiana aminy. Misy karazany roa ny famadihana:
8 -- fitondrana ho ao am-pasan-drazana ny taolambalon' ny olona maty tany an-tany lavitra nalevina tamin' ny fasana aniritra fotsiny;
9 -- famonosan-dambamena isaky ny dimy, fito na folo taona, ireo maty milevina ao amin' ny fasan-drazana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 the act of turning something over; treachery, treason
11 the "turning of the bones" of the dead [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 l'action de retourner [1.3, 1.8]
13 l’action de chavirer, de trahir, le lieu, le temps, la cause
14 action de transporter les morts dans un autre tombeau [1.3]
15 trahison
16 "retournement" des ossements des ancêtres [1.8]
Ohatra  17  Niakatra an' Antananarivo aho nony vita ny famadihana. [2.472]
18  Tsy mora ny manao raharaha, ka mbola nanangom-bola ho enti-manana ny famadihana aho. [2.529]
Teny nalaina  19  Soratra misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17