|
|
|
|

Entry1  fananganana
Part of speech  2  noun
Root  3  tsangana
All compound words 
Explanations in Malagasy  6  [1.1] Fanarenana zavatra amin' ny haavony: Tsy sarotra akory ny fananganana io sarivongana nianjera io
Fampijoroana: Tsy mora velively ny fananganan-trano, indrindra amin' izao andro izao
Fametrahana zavatra amin' ny toerana avo mba hahitana azy: Alohan' ny fidirana no fananganana ny saino
Filazana olona eo anatrehan' ny fanjakana, na ny fokonolona taloha, ho toy ny zanaka maharo mandova: Zava-dehibe amin' ny Malagasy ny fananganan-jaza. (Ny fananganan-jaza taloha dia nandoavana ny hasin' andriana sy ny orimbaton' ny fokonolona, izay vavolombelona afaka manamarina ny fananganana noho izy nanatri-maso; ankehitriny ny fananganan-jaza dia soratana amin' ny bokimpanjakana eo anatrehan' ny vavolombelona)
Explanations in English  7  [1.2] [Rel. s. from manangana (tsangana).] Raising up, putting up, that used to raise up anything.
Explanations in French  8  [1.3#751] l'action de dresser, de mettre debout, de planter, l'instrument, le lieu
9  [1.13] construction, montage
Examples  10  [2.117#] Izao kosa no fananganana ny fisotroan-drano.
11  [1.320#] ny fananganana ny sokajin' antokon-draharaham-panjakana;
12  [1.262#] Noho izany, dia nihevaheva lava teny ny fananganana an-dRajao.

Updated on 2025/08/10