|
|
|
|

Teny iditra1  fanitrihana
Fototeny  2 sitrika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fandentehana any anaty rano: Tsy mora ny fanitrihana alika ao anaty rano
5 Fanafenana: Ato no fanitrihan-dry zalahy ny boky tsy tiany ho hita
6 Fandevenana, fampidinana na fametrahana ao anaty fasana: Amin' ny telo ny fanitrihana ny razana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  7 L’action de plonger, d'enterrer, de cacher, de se plonger, de se cacher, le lieu, le motif [1.3#612]
Ohatra  8  Azy manokana irery kosa ny fiasana tanimboly, ny fihavana azy volana ira na roa aorian' ny fanitrihana ny masomboly na ny fanatsatohana ny taho-mangahazo. [2.470#]
9  ny fanomanana sy ny famongarana ny faty, ny fiandrasana azy, ny fanitrihana, ary ny aorian' ny fanitrihana. [2.436#]
Tsipelina hafa  10 fanasitrihana

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12