|
|
|
|

Teny iditra1  fanonerana
Fototeny  2 onitra
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Famerenana, fanoloana. fanefana: Aza hadinoinao ny fanonerana ny zavatr' olona narianao
5 Fampifandanjana ny azo amin' ny very: Tsy ampy ho fanonerana ny fatiantoko ny tombombarotra azo raha hamidiko latsaky ny roanjato ariary ny sezo tsirairay [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 compensation [1.3#468, 1.13]
7 la restitution, le dédommagement, la réparation, la satisfaction [1.3#468]
Ohatra  8  Efa nanao fanonerana Ingahy Radaniela sy ireo Zanakantitra tariny tao Atsimonivato; [2.588#]
9  Fampidirana ny feni-kevitra momba ny fanonerana mitovy ao anatin' ny sata fanatsarana ny entana nafarana. [1.384#]
Kamban-teny rehetra  10 fanoneran-drefy

Fivaditsoratra  11 faneronana, fanonerana, 12 fanorenana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17