|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 fihemorana |
| Fototeny | 2 hemotra |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Fitambotsorana, fanaovana dia mianotra: Efa nampoizina ny fihemoran' ny tafika teo anoloan' ireo fahavalo be fiadiana lavitra noho izy ireo
5 Fialana; Nahagaga ny olona rehetra ny fihemoran-dRakoto tamin' ny fifidianana 6 Fisintonana: Naharitra hateloana ny fihemoran' ny rano 7 Fihenana: Fihemoran' ny vidim-bary izao fararano izao [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 the act of drawing back; backsliding; a decline
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 recul, retrait; déchéance, déclin
[1.8] 10 reculade [1.66] |
| Ohatra |
11 Ny azo iantsoana ny "raharaha Daewoo" dia niafara tamin' ny fihemorana ankapobe teo amin' ireo antokon' olona roa voakasika.
[4.27]
12 Tonga ny mpampakatra sy ny mpaka, nefa sampona ny raharaha, ka fara fahatsarany, hahemotra aoriana, raha tsy ho fihemorana mandrakizay! [1.223] |
| Tohi-kevitra | 13 fandrosoana |
| Fivaditsoratra | fihemorana, 14 mifanohera |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|