|
|
|
|

Entry1  finoana
Part of speech  2  noun
Root  3  ino
All compound words 
Explanations in Malagasy  7  [1.10] fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy...
8  [1.1] Fitokiana izay voalazan' olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany izao no nahavoa anao
Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso, noho ny filazan' Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao
Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana
9  [1.13] fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana
Explanations in English  10  [1.2, 1.7] faith, belief
Explanations in French  11  [1.3#172] croyance
12  [1.3#172, 1., 1.13.fr8] foi
Examples  13  [2.470] -Maha kely finoana ahy ny fahamarinany;
14  [2.4] Marina mafy tsy mahakelikely finoana amin' ny fiainana mihitsy izy ity!

Anagrams  15  afonina, anafony, anofany, fanoany, fanoina, fianona, finoana, foanany, foinana, iafonan, ifonana, iofanan, nafaony, nafinao, nafoina, naofany, niafona, niofana

Updated on 2025/08/10