|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  habakabaka
Fototeny  2 habaka
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Ny mangoana tsy misy afa-tsy rivotra manodidina ny tany, izay toa andohalambo miloko mangamanga manarona ny tany no fijery azy, antsoina koa hoe lanitra amin' ny fiteny mahazatra:
5 Mahavariana ny fidadasiky ny habakabaka / Mihalontralona eny amin' ny habakabaka ny kintana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 amplitude, space, the sky, the firmament. [1.2]
7 the skies, the firmament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 le ciel, firmament [1.8]
Ohatra  9  Tsy namaly aho fa ny habakabaka maty masoandro no notazaniko. [2.471#]
10  Ny tany, ny habakabaka, ny rano dia samy ifamoivoizana avokoa. [2.117#]
11  Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany; [1.233#ririninanyandro]
12  Ny masonao no itiavako iny [h]abakabaka|abakaba iny / Sa ny masonao no tiako dia ny [h]abakabaka|abakaba-manga! [1.287]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Tovy hevitra  16 habaka
Kamban-teny rehetra  17 fitaterana an' habakabaka
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)19  habakabaka
Sokajin-teny  20  anarana
Fanazavàna teny frantsay  21 derrière d'un boeuf. [Tankarana] [1.19]
Voambolana  22  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17