|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  hetsy
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Folo alina: Roa hetsy ariary, hono, no vidin' io trano io. / Ny folo hetsy dia atao hoe tapitrisa (Tsara ho tadidy fa amin' ny teny hoe hetsy, toy ny hoe habakabaka, dia tsy miova ho k ny h eo aorian' ny aman- na anka amin' ny soratra, mba tsy hahahafahafa ny fampiharam-pitsipika, dia homena ny endriny feno keo teny ireo: amana, ana): Olona amana hetsiny no tonga nijery baolina / Nisodika teny ana habakabaka ny fiaramanidina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a hundred thousand [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 cent mille [1.8]
Isam-pirenena  6 100000 ~ 100 000 ~ 100.000 ~ 100,000 [3.1]
Ohatra  7  Dimy hetsy sy fito tapitrisa no voalaza ho isany; [1.38]
8  Iray hetsy mahery no ankevitry ny olona matiny, hono. [1.437#]
9  Fanaovana ny steam engine: ary ny vola lany, iray hetsy. [2.366#]
Sampanteny 
Tambinteny :
Voambolana  12  Matematika: rafitrisa
Tsanganana sy sary iray takila  13  Ny isa
Lahatsoratra  14 Andriamihaja: Fanisana vaovao

Teny iditra (2/2)15  hetsy
Sokajin-teny  16  Tsy lazaina
Fanazavàna teny malagasy  [1.78]
Sampanteny 
Mpamaritra :

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17