|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1 ho
Sokajin-teny  2 kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
-- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny
-- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa
-- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa!
-- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva)
-- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka
Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika
Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara
Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!
Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 sign of the future tense, used before consonants, as
-- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive
-- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
-- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera
-- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera [1.8]
Kamban-teny rehetra  6Fikambanana 77 amin' io teny io

Teny iditra (2/5)7
Sokajin-teny  8 mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  9 tahaka, sahala [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (3/5)10 ho
Sokajin-teny  11 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  12 toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa [Tanosy] [1.78]
Kamban-teny rehetra  13Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (4/5)14 ho~
Sokajin-teny  15 tovona [Fitanisana]

Teny iditra (5/5)16 Ho    
Sokajin-teny  17 anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  18 Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  19 Holmium. [3.1]
Voambolana  20 Simia
Tsanganana sy sary iray takila  21 Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/11