|
|
|
|

Teny iditra (1/17)1  Josefa
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Josefa Patriarka - Zanak' i Jakoba tamin-dRahely
4 izy, ary teraka tao Harana tokony
5 ho tamin'ny 1873 B. C. (Gen. 30.24).
6 Tsy dia ela loatra taorian'ny nahaterahany
7 no nialan' i Jakoba tao Harana, hiverina ho
8 any Kanana, fa raha tonga tao akaikin' i
9 Efrata izy, dia maty Rahely (Gen. 35.18,
10 19). Tokony ho zazalahy tsara fanahy Josefa
11 ka nanoa tsara ny rainy ; ary noho izany,
12 sady satria zana-dRahely, ilay vady tiany
13 indrindra izy, dia fatratra ny fitiavan'i Jakoba
14 azy. Fantatry ny rahalahiny izany, ka
15 izany no nankahalany an' i Josefa. Angamba
16 koa fanaon' i Josefa ny nilaza tamin' i Jakoba
17 ny zava-dratsy nataon' ny rahalahiny, «fa
18 Josefa nitati-bolana tamin-drainy » (Gen. 37.
19 2). Kanefa izay nahalotika ny fon'izy ireo
20 indrindra dia ny nofin' i Josefa, izay nolazainy
21 koa tamin' ny rahalahiny (Gen. 37. 5-11).
22 Mora hitan' i Jakoba sy ny zanany rehetra
23 ny hevitr' izany nofy izany, dia ny hanompoan'
24 izy rehetra an' i Josefa, ka na dia Jakoba
25 aza dia toa sosotra kely tamin' i Josefa
26 ihany, vao mainka fa ny rahalahiny, izay efa
27 nankahala azy rahateo. Nohajain' ny olona
28 indrindra ny nofy tamin' izany andro izany,
29 ary saiky mandrakariva dia ninoana ho fanambaràna
30 zavatra ho avy izany. Noheverin'
31 i Jakoba sy ny zanany fa tsy ho tanteraka
32 izany nofy izany ; kanefa dia tanteraka
33 tokoa izany tamin' ny fotoana mety. ... [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  34 Joseph, the elder of the two sons of Jacob by Rachel [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  35 Joseph, fils de Rachel, femme de Jacob [2.996]
Voambolana  36  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  37 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (2/17)38  Josefa
Sokajin-teny  39  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  40 Joseph, father of Igal [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  41 Joseph, père d'Yigéal [2.996]
Voambolana  42  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  43 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (3/17)44  Josefa
Sokajin-teny  45  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  46 Joseph, a lay Israelite of the family of Bani [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  47 Yoseph, des fils de Bani [2.996]
Voambolana  48  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  49 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (4/17)50  Josefa
Sokajin-teny  51  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  52 representative of the priestly family of Shebaniah [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  53 Yoseph de Shebanya [2.996]
Voambolana  54  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  55 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (5/17)56  Josefa
Sokajin-teny  57  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  58 Joseph, son of'Asaph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  59 Yoseph, fils d'Asaph [2.996]
Voambolana  60  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  61 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (6/17)62  Josefa
Sokajin-teny  63  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  64 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  65 Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Voambolana  66  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  67 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (7/17)68  Josefa
Sokajin-teny  69  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  70 a Jewish officer defeated by Gorgias about 164 BC. [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  71 Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Voambolana  72  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  73 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (8/17)74  Josefa
Sokajin-teny  75  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  76 Joseph, named among the brethen of Judas Maccabeus apparently in place of John [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  77 Joseph, frère de Judas Maccabée [2.996]
Voambolana  78  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  79 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (9/17)80  Josefa
Sokajin-teny  81  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  82 Joseph, an ancestor of Judith [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  83 Joseph, arrière-grand-père de Judith [2.996]
Voambolana  84  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  85 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (10/17)86  Josefa
Sokajin-teny  87  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  88 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  89 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Jonan [2.996]
Voambolana  90  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  91 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (11/17)92  Josefa
Sokajin-teny  93  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  94 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  95 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Judah [2.996]
Voambolana  96  Soratra Masina

Teny iditra (12/17)97  Josefa
Sokajin-teny  98  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  99 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  100 Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Mattathias [2.996]
Voambolana  101  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  102 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (13/17)103  Josefa
Sokajin-teny  104  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  105 zanak' i Oziasa, rain' i Merarì [2.996]
Fanazavàna teny anglisy  106 Joseph, son of Oziel, father of Merari [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  107 Joseph, fils d'Oziel, père de Merari [2.996]
Voambolana  108  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  109 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (14/17)110  Josefa
Sokajin-teny  111  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  112 anankiray tamin' ny rahalahin' ny Tompo (Mat. 13.55) [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  113 Joseph [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  114 Joseph, un des frères de Jésus [2.996]
Voambolana  115  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  116 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (15/17)117  Josefa
Sokajin-teny  118  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  119 Josefa, vadin' i Maria, ary noheverina ho rain' i Jesosy.
120 Ny Jiosy rehetra dia samy nitahiry ny tetiarana momba ny
121 razany, ka faly tokoa izy raha azony atao ny
122 manaporofo fa taranaky ny mpanjaka na ny
123 mpisorona izy. Josefa dia nahazo nirehareha fa taranak'i Davida izy (Mat. 1. 20).
124 Betlehema tanànan' i Davida no tanindrazany, saingy nifindra monina tany Nazareta
125 izy (Lio. 2. 4) ; ary ny raharaha nahazoany
126 fivelomana dia ny rafitra (Mat. 13. 55). Nalainy ho fofombadiny i Maria, izay nonina
127 tany Nazareta koa. Josefa angamba dia
128 zokin' i Maria lavitra tamin' ny taona niainany. Kely foana no hita ao amin' ny
129 Filazantsara ny amin' i Josefa ; nefa izay voalaza dia mampiharihary ny fahatsaran-toetrany. (a) Tena Israelita marina tokoa
130 izy, ka nanaja tsara ny fomba amam-panaon'
131 ny Jiosy (Lio. 2. 21-24), mbamin'ny fitandremana ny Andro Firavoravoana (Lio. 2.
132 41, 42). (b) Lehilahy nalemy fanahy sy
133 antra olona izy. Rehefa hitany ny toetran'
134 ny fofombadiny dia velona eritreritra mafy
135 izy, ka nanapa-kevitra hametraka azy ; nefa
136 nokasainy hatao mangina izany mba tsy ho
137 afa-baraka eo imason' ny olona ilay fofombadiny. Rehefa nilazana ny marina anefa izy
138 dia tsara mihitsy ny fitòndrany an' i Maria.
139 Koa nony niakatra ho any Betlehema izy mba
140 hisoratra, araka ny didin' ny mpanjaka, dia
141 tsy nilaozany irery tao Nazareta i Maria, fa
142 nentiny niaraka taminy kosa mba tsy ho
143 tanisain' ny manta vava amin' ny endrikendrika manorisory (Lio. 2. 1-7). (d) Izany
144 toetra mahate-hidera izany dia nasehony koa
145 tamin' ny fitaizana ny Zaza, izay napetrak'
146 Andriamanitra ho adidiny. Noraisiny tamin' ny fitiavana tanteraka ity Zaza ity ka
147 mendrika tokoa ny iantsoana azy ho « rainy »
148 (Lio. 2. 33, 41, 48 ; Mat. 13. 55 ; Jao. 1. 45 ;
149 6. 42). Koanefa dia tsy miseho intsony ao
150 amin' ny Filazantsara ny tantaran' i Josefa
151 taorian' ny niverenany avy tany Jerosalema,
152 rehefa tonga taona ho « Zanaky ny Lalàna »
153 Jesosy (Lio. 2.41-51). Ary satria ny anaran'
154 i Maria ihany no hita ao amin' ny tantara
155 momba ny nanaovan' i Jesosy ny raharahany,
156 dia azo heverina fa maty teo anelanelan' ireo
157 fotoana ireo Josefa. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  158 Joseph, son of Eli, and reputed father of Jesus Christ [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  159 Joseph, l'époux de Marie [2.996]
Voambolana  160  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  161 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (16/17)162  Josefa
Sokajin-teny  163  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  164 Josefa avy any Arimatia. "Lehilahy manankarena" (Mat. 27. 57), sady tsara fanahy,
165 ary isan' izay nandevina an' i Jesosy
166 izy. Marka dia milaza azy ho "lehilahy manan-kaja, izay isan' ny Synedriona, sady
167 niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa "
168 (Mar. 15.43) ; ary Lioka kosa milaza azy
169 ho "lehilahy tsara fanahy sady marina"
170 (Lio. 23.50). Tsy nankasitraka ny hevitry
171 ny namany tao amin' ny fivorian' ny Synedriona izy ny amin' ny hamonoana an' i Jesosy;
172 kanefa kosa toa tsy dia niseho ho nisakana izany loatra ; angamba aza tsy nitranga tamin' ny fivoriana niheverana izany izy.
173 Nolazain' i Jaona mazava fa na dia mpianatr'
174 i Jesosy eza izy, " dia tamin' ny mangingina
175 ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy "
176 (Jao. 19.38). Kanefa rehefa maty ny Tompo dia tsy nahalala tahotra intsony izy.
177 Marka milaza fa " saby niditra tao amin' i
178 Pilato izy, ka nangataka ny fatin' i Jesosy
179 (Mar. 15.43).
180 Araka ny fomba mandrakariva, ny havana
181 aman-tsakaizan' ny olona novonoina tamin'
182 ny hazofijaliana dia nividy ny fatiny mba ho
183 azo alevina, satria mazàna no ariana hohanin'
184 ny vorona sy ny bibidia ireny faty ireny ;
185 ary Josefa dia tsy maintsy nanaiky hanome
186 an' i Pilato izay vola nilainy tamin' izany,
187 ka dia nomena azy ny faty (Mar. 15.45).
188 Josefa dia nanana tanimboly teo akaikin' i
189 Golgota, izay efa nahavitany fasana nokasainy hilevenan'ny tenany : tao no nandevenan'
190 izy ty Nikodemosy ny fatin' i Jesosy, rehefa
191 avy nohosorany zava-manitra sy nofonosiny
192 "hariry madinika madio " (Mat. 27.57-61;
193 Mar. 15. 42-47 ; Lio.23. 50-56 ; Jao. 19. 38-42). [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  194 Joseph of Arimathea, a rich and pious Israelite who had the privilège of performing
195 the last offices of duty and affection to the body of our Lord [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  196 Joseph d'Arimathie [2.996]
Voambolana  197  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  198 Toko sy andininy momba Josefa

Teny iditra (17/17)199  Josefa
Sokajin-teny  200  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  201 Josefa Barsabasy. - Natao hoe Josto koa
202 izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy
203 nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany
204 izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota
205 (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika
206 fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan'
207 i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny
208 niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22).
209 Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo
210 lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy
211 Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy  212 Joseph called Barsabas, and surnamed Justus [1.114]
Fanazavàna teny frantsay  213 Joseph dit Barsabbas [2.996]
Voambolana  214  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  215 Toko sy andininy momba Josefa

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/20