|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kosa
Sokajin-teny  2  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny kely entina: 1) Manavaka: Ny androngo mandeha tongotra efatra, ny bibilava kosa mikisaka. 2) Milaza hoe: "etsy an-daniny": Ny ato mpianatra sary, ny atsy kosa mpianatra mozika. 3) Mampifanohitra zavatra na asa roa: Ny fahavalo mitady hanimba anao, fa ny sakaiza kosa mitady hanasoa (tsy fiteny ny hoe: fa kosa ny sakaiza...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 on the other hand; in turn [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 et d'autre part, au contraire [1.8]
Ohatra  6  Inona kosa no renay? [2.270#]
7  Izaho kosa manakobana. [2.117#]
8  Diso kosa izany, Rasaha. [1.335#]

Teny iditra (2/2)9  Kosa
Sokajin-teny  10  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  11 Cush [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  12 Kush [2.996]
Ohatra  13  Hira firehetan' i Davida nohirainy tamin' ny Tompo, noho ny tenin'i kosa Benjaminita [2.996]
Voambolana  14  Soratra Masina
Tsipelina hafa  15 kosy
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  16 Toko sy andininy momba Kosa

Fivaditsoratra  17 kaso, Kosa, kosa, 18 sako, 19 soka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27