|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lasary
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Tongolo voatetika aharo voatabiha ary asiana sakay raha tiana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 onions and tomatoes cut up small and mixed with chillies as a relish [1.2]
5 an appetizer made of onions and tomatoes, sometimes with red pepper [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 achards, mélange de tomates et oignons hâchés, parfois avec du piment [1.8]
7 (du créole réunionnais : « les achards »). Légumes confits dans le vinaigre ou l'huile avec des condiments, préparation probablement d'origine indienne, comme les « pickles » anglais. [1.196]
Ohatra  8  Sahirankirana ery manampy ny variko, manome laoka ahy, manontany sao mbola mila lasary na ro aho. [2.4]
9  Viky vadin-dRakoto no nisahirana nanamboatra ny sakafo farany hanaovako veloma an' i Madagasikara, dia vary manitra nilaofana henomby ritra sy felimangidin' i Mahajanga ary lasary. [2.356]
Voambolana  10  Toe-karena: hanina

Teny iditra (2/2)11  lasary
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny anglisy  13 the name of a saw [1.2]
Ohatra  14  Sahirankirana ery manampy ny variko, manome laoka ahy, manontany sao mbola mila lasary na ro aho. [2.4]
15  Viky vadin-dRakoto no nisahirana nanamboatra ny sakafo farany hanaovako veloma an' i Madagasikara, dia vary manitra nilaofana henomby ritra sy felimangidin' i Mahajanga ary lasary. [2.356]
Voambolana  16  Fitaovam-piasana

Fivaditsoratra  lasary, 17 salary

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12