|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  loka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 antoka [Taisaka] [1.78]
4 Fanamby ifanaovana: Andeha hanao loka, hoy ny sokatra tamin' ny bitro, fa izaho no ho tonga voalohany erỳ ambody hazo erỳ
5 Zavatra omena an' izay mahazo amin' ny fanamby: Inona no hatao loka, hoy ny bitro tamin' ny sokatra?
6 Lalao ifanambazana vola, ka ny mahazo dia izay maharesy (karatra), na izay naka ny mahery (baolina), na izay naka ny tonga voalohany (hazakaza-tsoavaly): Lany tamin' ny loka ny fananany
7 Valisoa omena an' izay voalohany amin' ny olona maro nifaninana: Anio no fizaran-doka ho an' ny mpianatra ao Ananona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 a bet; stakes in betting; a prize [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 pari, gageure, prix [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Kamban-teny rehetra  12  Fikambanana 9 amin' io teny io
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)14  loka
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16 Fanipazana lefona, pala, fiadiana..., na fianarana miady amin' ny lefona [1.1]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :

Teny iditra (3/3)18  loka
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny frantsay  20 . Nom des nourritures les plus grossières, souvent des tubercules de plantes sauvages ou des tubercules très féculents, lourds à digérer. [Betsileo, Bara] [1.196]
Voambolana  21  Haizavamaniry

Fivaditsoratra  22 kalo, 23 Kloa, 24 kolà, kola, 25 lako, loka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27