|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 loka |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 antoka
[Taisaka]
[1.78] 4 Fanamby ifanaovana: Andeha hanao loka, hoy ny sokatra tamin' ny bitro, fa izaho no ho tonga voalohany erỳ ambody hazo erỳ 5 Zavatra omena an' izay mahazo amin' ny fanamby: Inona no hatao loka, hoy ny bitro tamin' ny sokatra? 6 Lalao ifanambazana vola, ka ny mahazo dia izay maharesy (karatra), na izay naka ny mahery (baolina), na izay naka ny tonga voalohany (hazakaza-tsoavaly): Lany tamin' ny loka ny fananany 7 Valisoa omena an' izay voalohany amin' ny olona maro nifaninana: Anio no fizaran-doka ho an' ny mpianatra ao Ananona [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 a bet; stakes in betting; a prize
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 pari, gageure, prix
[1.8] |
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 12 Fikambanana 9 amin' io teny io |
| Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/3) | 14 loka |
| Sokajin-teny | 15 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
16 Fanipazana lefona, pala, fiadiana..., na fianarana miady amin' ny lefona
[1.1] |
| Sampanteny |
|
| Teny iditra (3/3) | 18 loka |
| Sokajin-teny | 19 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
20 . Nom des nourritures les plus grossières, souvent des tubercules de plantes sauvages ou des tubercules très féculents, lourds à digérer.
[Betsileo, Bara]
[1.196] |
| Voambolana | 21 Haizavamaniry |
| Fivaditsoratra | 22 kalo, 23 Kloa, 24 kolà, kola, 25 lako, loka |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27 |
|