|
|
|
|

Teny iditra1  lovabe
Singan-teny  2 lova, 3 be
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Harena tsy mba zarain' ny ray aman-dreny amin' ny mpandova mba samy hizaka ny anjarany tsirairay avy, fa apetrany amin' ny lahimatoa na ny vavimatoa [1.1]
Ohatra  6  Vita ny trano vaovao nampanaovin' Idada ho solon' ilay trano lovabe nitoeranay hatramin' izay. [2.332#]
7  Fa ny ala no lovabe tsy voazara, fiveloman'ny kamboty sy ny zaza amim-behivavy sy izao oloko rehetra izao sady anaovantsika trano. [2.508#]

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12