| 
 | 
| | | |  | 
  | 
| Teny iditra (1/3) | 1 mba | 
| Sokajin-teny | 2 mpampitohy [Fitanisana] | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
3 Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-javatra: Tonga izahay mba hijery sy hamantatra (arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity) [1.1#650] | 
| Fanazavàna teny anglisy | 
4 in order that [1.2#436, 1.7] 5 too, as well as; that [1.2#436] 6 in order to (followed by the future tense) [1.7]  | 
| Fanazavàna teny frantsay | 
7 Particule exprimant le respect, la surprise, l’optatif; afin que [1.3#439] 8 afin que, pour que: Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao (Parlez fort pour que tout le monde vous entende) [1.12] 9 Pour: Tsy maintsy mihinana mba ho velona (Il faut manger pour vivre) [1.66.fr#740] 10 afin de, afin que (suivi du futur) [1.8]  | 
| Mpanahaka | 11 ndrao, 12 sangoa, 13 sao | 
| Kamban-teny rehetra | 14Fikambanana 7 amin' io teny io | 
| Teny iditra (2/3) | 15 mba | 
| Sokajin-teny | 16 filaza mandidin' ny anarana omba [Fitanisana] | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
17 Kianteny enti-manisika hevitra. Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy: Mba omeo kely amin' iny aho. / Mba mianara fa aza varian-daolao Fanesoana: Izany hono ka mba hendry Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo: Mba handeha koa aho raha mandeha ianao [1.1#650]  | 
| Fanazavàna teny anglisy | 
18 a softening particle, meaning please [1.2#436] 19 used to make a request or statement more respectful; mba omeo taratasy kely aho (please, give me some paper) [1.7]  | 
| Fanazavàna teny frantsay | 
20 impératif de omba : Mba hendry hianao (Soyez sage vous aussi [comme les autres]) ~ Mba tonga hianareo (Venez, arrivez vous aussi) [1.3#439] 21 qui adoucit une commande; mba omeo taratasy kely aho (veuillez me donner du papier) [1.8]  | 
| Teny iditra (3/3) | 22 mba | 
| Sokajin-teny | 23 kianteny [Fitanisana] | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
24 Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao: Mbà hendry anaka. Mbà olom-banona (marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy: Mba mianara fa aza varian-daolao) [1.1#650] | 
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08 | 
 |