|
|
|
|

Teny iditra1  mbola
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 (miaraka amin' ny milaza ny ankehitriny na ny lasa): enti-milaza fa eo am-panaovana na teo am-panaovana asa iray ilay olona tenenina: Mbola miasa izy fa aza tabatabaina ~ Mbola nisakafo izahay tamin' izy tonga
4 (miaraka amin' ny milaza ny ho avy): enti-milaza fitohizana na fiverenana asa efa nisy teo aloha: Mbola hanoratra aminao aho amin' ny herinandro ambony ~ Mbola hatory indray aho rehefa afaka kelikely
5 (na fahatongavan-javatra efa nandrasana): Mbola ho avy izy fa aza matahotra
6 (miaraka amin' ny "tsy") samy azo atao eo aloha na eo aorian' ny "mbola" ny "tsy", saingy matetika raha filazana tsotra, dia ny "mbola" no atao aloha: Mbola tsy tonga lahy Rakoto, fa raha mamaly fanontanana kosa, ny "tsy" no atao aloha: Efa tonga ve Rakoto? Tsy mbola tonga izy, tompoko (marihina fa amin' ity farany ity dia azo tsy averina ny fehezanteny manontolo, fa ny "mbola" kosa no miova hoe mbolana: Efa tonga ne Rakoto? Tsy mbolana, tompoko) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 yet, still [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 encore, pendant que [1.8]
Kamban-teny rehetra  9  Fikambanana 5 amin' io teny io

Fivaditsoratra  10 lambo, 11 lomba, mbola

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17