|
|
|
|

Teny iditra1  mikabary
Fototeny  2 kabary
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manao kabary: Nikabary tamin' ny mponina tao Ampefy ny filohan' ny Nosy
5 Milaza ampahibemaso: Omaly no nikabary ny fandoaoan-ketra ny tomponarivo
6 Miteny, mibedibedy: Mandehana mandeha ianao fa aza mikabary ny zanako eo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 To deliver a public order, to proclaim, to pronounce, to announce, to speak in a public assembly on some public business [1.2]
8 to make a speech; to lead a palaver or discussion [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 Prononcer un discours public, proclamer des lois, des ordres dans une assemblée publique, intenter un procès, réprimander [1.3]
10 donner un discours; diriger ou prendre part à un palabre [1.8]
Ohatra  11  Tsy misy mahazo midonana-poana, hoy izy isaky ny mamory olona mikabary. [2.472]
12  Raha mikabary ny andriana, raha mitantara ka misaotra, raha mivavaka, dia Rafandrana hiany no aloha. [2.48]
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
16  Filaza mandidy :
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  18 kirambay, 19 mibarika, mikabary, 20 riam-baky

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02