|
|
|
|

Teny iditra1  misoratra
Fototeny  2 soratra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mandatsaka anarana, manoratra ny anarana: Efa nisoratra omaly aho
5 Misy sorany na volon-doko: Tsy tiako ny lamba misoratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 To be spotted, to be printed, to be striped, to be of different oolours; to be written [1.2#589]
Fanazavàna teny frantsay  7 S’inscrire, être écrit, rayé, dessiné [1.3#632]
Ohatra  8  ny rafitra rehetra misoratra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta; [2.588#]
9  Haingoan'ny rantsana boribory sy ny akanjony zandiana misoratra manakona ny tapaky ny laferany. [2.895#]
10  Tsy maintsy ho mpifidy ireo vavolombelona ireo ary misoratra anarana amin' ny lisitry ny mpifidy ao amin' izay biraom-pifidianana nisy ny fitrangan-javatra na misehoan' ny voalaza ho tsy ara-dalàna [2.114#]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
14  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  15 ampy misoratra
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  17 Maroratsy, misoratra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09