|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mitampify |
| Fototeny | 2 tampify |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Mitampisaka miery eo anila: Aza mitampify amin' ny vody hazo rehefa avy ny orana ka mikotroka ny andro
5 Misisika ho eo anila noho ny tahotra na ny tsy fahampiana: Nanatona ilay rangahy be volombava, ka nitampify tamin-dreniny ilay zaza ~ Nitampify tao amin' ny rafozany izy nandritra ny enimbolana taorian' ny fanambadiany 6 Miankina, mipetaka, mifanoroka amy...: Nataony nitampify tamin' ny tranony ny fisoko ka tsy neken' ny mpiandraikitra ny toe-pahasalamana [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 to press against a wall, etc.
[1.2] 8 to press close [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 se blottir contre
[1.8] |
| Haiendriteny |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|