| Entry (Teny iditra) | ![]() |
rajemisa > Rajemisa |
| Part of speech (Sokajin-teny) | proper name (history) (anaran-tsamirery (tantara)) | |
| () | Régis Rajemisa-Raolison (1913-1990)
Teraka tamin'ny 8 Mey 1913 tany Antsiranana raha niasa nanao raharaham-panjakana tany rainy sy reniny: Edouard Rajemisa sy Victoire Razaivelo, fa ny tany fiaviany dia Ambatoroka sy Ankadindambo-Ambohimangakely (Antananarivo) ihany. Mpampianatra no raharaha nosafidiny. Ka raha vao nahatapitra ny fianarana ambaratonga faharoa izy (1931), dia nirotsaka tamin'ny fampianarana, ka tao amin'ny Misiona katolika Manjakandriana aloa (1932), dia tao amin'ny Kolejy Masi-Misely nampanomana CESD (1933-1942), dia tao amin'ny Kolejy iray tsy miankina: Institution Vigny (1943-1946), ary niverina indray tao amin'ny Kolejy Masi-Misely, fa tamin'ny fampianarana ambaratonga faharoa (1947-1957). Voaray hanao raharahan'ny Chef de cabinet tao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana izy (1957-1958), ary dia tafajanona tamin'ny fanjakana (sampana fampianarana) ka nomena toeran'ny mpiandraikitra lefitra tamin'ny sampan-draharaha iray vaovao (Centre d'études et d'information sur la langue et la civilisation malgaches), sady nampianatra sy niasa teny amin'ny Oniversite sy tamin'ny Lycées (1959-1973). Raim-pianakaviana izy tamin'ny taona 1942, nampakatra ho vadiny an-dRamatoa Julienne Razanajao, izay nanampy azy fatratra hatrany tamin'ny fanomezana hery sy torohevitra. Niteraka dimy izy mivady ary telo ambin'ny folo ny zafikeliny ankehitriny. Tsy mpampianatra ihany anefa izy, fa mpanoratra ihany koa; maro karazana ireo boky nandaniany ron-doha tao anatin'ny dimampolo taona satria tamin'ny taona 1935 no nanoratany voalohany. Fikambanana misy azy Union des Poètes et Ecrivains Malgaches: filohan'ny Fikambanana izy hatramin'ny taona niorenany (1952); Académie Malgache (hatramin'ny 1957); ankehitriny, Filoha lefitra amin'ny maha-Filohan'ny Sokajy voalohany azy. Mari-boninahitra aman-pankasitrahana Chevalier de l'Ordre du Mérite de Madagascar 1962, Mari-Pankasitrahana avy amin'ny Ministeran'ny Fanolokoloana sy Zavakanto Revolisionera 1981, Officier de l'Ordre des Arts et des Lettres (République française) 1981, Chevalier de l'Ordre National 1964, Officier de l'Ordre National 1978, Commandeur de l'Ordre National 1983 [] | |
| Malagasy definition (Famaritana malagasy) | Boky navoany: ¶ Vakoka: Dictionnaire des Synonymes de la Langue Malgache (1948) ¶ Dictionnaire Historique et Géographique (1966) ¶ Fiteny Mamiko: kilasy fahatelo (1967), kilasy fahefatra (1972) ¶ Tononkalo sy lahatsoratra: kilasy fahadimy, kilasy fahenina ¶ Grammaire Malgache (1971) ¶ Fomba aman-pahendena malagasy (1972) ¶ Rakibolana Malagasy (1985) ¶ Fitsipi-panoratana Malagasy ¶ Isambilo ¶ Les Poètes Malgaches d'expression française [3.1] | |
| French translation (Dikanteny frantsay) | Fils du Gouverneur Edouard Rajemisa et d [...] [full text in Rajemisa 1966] | |
| ... Ses poèmes sont publiés en recueil: Les fleurs de l'Ile Rouge (1948, ré-édité en 1984), Mba olom-banona (1951, ré-édité en 1974). Il publie des nouvelles: Kilalaon' Afo en 1948, 1953, 1964. ... Il est l'auteur d'un Dictionnaire historique et géographique de Madagascar en 1966, d'un Dictionnaire des synonymes, de manuels scolaires, Grammaire de la langue malgache (1958), d'un ouvrage Les poètes malgaches d'expression française en 1983. Il écrit aussi des pièces de théâtre en malgache: Tsingerim-panina (1955), Ady anaty (1956), Rivo-doza (1957), Ratolojanahary (1983), Misy very anjara (1983), Mamy ve ny miaina (1984). ... [Ranaivoson 2004] | ||
| Updated on 2012/05/13 |
|