|
|
|
|

Entry (1/2)1  rapeto
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] olona lava be
Explanations in English  4  [1.2] long, tall.
5  [1.7] a very tall person
Explanations in French  6  [1.8] personne très grande

Entry (2/2)7  Rapeto
Part of speech  8  proverbial name [Full list]
All compound words 
Explanations in Malagasy  11  [1.1] Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany
12  [2.69] Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany.
Explanations in English  13  [1.2] a legendary giant long, tall
14  [1.7] a legendary giant
Explanations in French  15  [1.8] géant légendaire
Examples  16  [2.48] Ary AmbohidRapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo
Vocabulary  17  Beliefs
Illustrations 
18  19 

Anagrams  20  petrao, rapeto, Rapeto, tapero

Updated on 2025/08/10