|
|
|
|

Teny iditra1  trondro
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisay ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin' ny fararano, izay foy amin' ny voalohandohan' ny ririnina. Anisan' ny tsara sy matsiro ny trondro; laokandrano, laoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a goldfish acclimated in Madagascar [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 poisson [1.8]
Ohatra  6  Raha telo sy efatra ny trondro azo dia atao lany tono ho solom-boangahazo ambara-piandry masaka. [2.470]
7  Be rano misy trondro eny manodidina rehetra eny. [2.472]
Voambolana  8  Haibiby: trondro
Kamban-teny rehetra  9  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09