|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 tsindrimpeo |
| Singan-teny | 2 tsindry, 3 feo |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra.
6 Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: 7 renitsindrimpeo (tsindrimpeon' ilay reny teny farany: ankizy kely maro); 8 zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; 9 tsindrimpeo fototra (tsindrimpeompototeny: levona); 10 tsindrimpeo am-panovanana na nikisaka: levonina [1.1] 11 Amin' ny teny malagasy rehetra misy vaninteny mihoatra ny tokana, 12 dia misy vaninteny iray izay tsindrian' ny feo mafimafy kokoa eo am-panononana, 13 ka io io no atao hoe vaninteny misy ny tsindrimpeo. Ohatra: 14 mipetraka, rehetra, akany. 15 Saiky mandrakariva, amin' ny vaninteny voalohany ihany no misy ny tsidrimpeo 16 amin' ny teny roa sy telo vaninteny. Ohatra: 17 rindrina, fototra, trano, tafo. 18 Raha misy teny roa mitovy fanoratra kanefa samy hafa ny vaninteny misy 19 ny tsindrimpeo ao aminy avy, dia asiana ny mari-tsindrimpeo ( 20 ) ilay tsy manara-dalàna. 21 Ohatra: tanana (manara-dalàna io araka ny voalaza etsy ambony) ; 22 tanàna (tsy manara-dalàna kosa io). [1.146#18] |
| Fanazavàna teny frantsay |
23 accent d'intensité, accent tonique
[1.13] |
| Voambolana | 24 Haiteny |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|