|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Vavaka ho an' ilay mpandalo |
| Singan-teny | 2 vavaka, 3 ilay, 4 mpandalo |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7 Raharolahy Mamy |
| Mpanonta printy |
1960/01. |
| Lahatsiratra manontolo |
9 10 Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely. 11 Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely! 12 Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso 13 Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso. 14 Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny 15 Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny. 16 " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa; 17 Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa! 18 Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny. 19 Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny; 20 Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao, 21 Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " . 22 Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo 23 Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo. 24 Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha 25 Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha. 26 Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny! 27 Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany! |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|