|
|
|
|

Teny iditra1  velarina
Fototeny  2 velatra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4 Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan' ny olona
5 Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin' ny takila fahatelo amby roapolo
6 Aseho hatao milamina sy milahatra tsara mba hanaitra ny mason' ny olona: Novelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra
7 Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy
8 Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 to be spread out, to be unrolled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 qu'on déploie, qu'on étend, qu'on ouvre; qu'on découvre, qu'on manifeste, qu'on montre, qu'on explique, qu'on publie: Novelariny tsara ny hevitr' izany teny izany (Il a bien expliqué le sens de ce mot) [1.3]
11 qu'on déplie, déroule, étend [1.8]
Ohatra  12  Dia novelariny ny tsihy, dia hoy Rangahy: [2.293]
13  velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany. [2.472]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  18 avelatra
Kamban-teny rehetra  19 azo velarina

Fivaditsoratra  20 lavareny, 21 vary lena, velarina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17