|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana 12 misy ny teny hoe : ivelany

Ohabolana 1An-trano mpihary, alan-trano mpanarangarana. [2.558 #300]
An-trano mpihary, alatrano mpanarangarana. [2.415 #1173, 2.653 #253]
Ny an-trano mpihary, ny any ivelany mpanarangarana. [2.558 #2895]
Dikanteny frantsayA l'intérieur de la maison on amasse, du dehors on observe. [2.415 #1173]
Fanazavana frantsayParoles dites au jeune ménage par les parents ; le sens est que personne n' aidera les époux à gagner de l'argent, mais on les méprisera s' ils n' en ont pas ; malheur à ceux qui n'amassent pas de biens, ils seront déshonorés. [2.415 #1173]

Ohabolana 2Atao ihany ny tsy hisara-mianakavy, fa izay boka avoaka any ivelany. [2.415 #1945, 2.653]
Misambasamba tsy hisara-mianakavy, kanjo manary ny havana boka. [2.415 #2015, 2.653 #1827]
Misambasamba tsy hisara-mianakavy nefa manary havana boka. [2.558 #2399]
Dikanteny frantsayC' est vrai que les parents ne se séparent pas, mais les lépreux sont exclus. [2.415 #1945]
En faisant la cérémonie des prémices et de la nouvelle année on fait des souhaits pour que la famille ne soit jamais séparée, et cependant on rejette les parents lépreux. [2.415 #2015]
Fanazavana frantsaySe disait des parents lépreux ou mauvais sujets, de ceux qui sont le déshonneur de la famille. [2.415 #1945]
Se disait des parents mauvais sujets. [2.415 #2015]

Ohabolana 3Aza atao tanantanana ivelan' ny fahitra lahy. [2.653 #365]
Aza atao tanantanana ivelan' ny fahitra lahy aho. [2.165 #269]
Aza atao tanantanana ivelan' ny fahitra re aho. [2.558]
Aza manao zaza mena volo na tanantanana ivelan' ny fahitra. [2.558]
Aza manao zaza mena volo, tanantanana ivelan' ny fahitra. [2.415 #961, 2.653 #555]
Dikanteny frantsayNe me traitez donc pas comme un ricin poussant isolé en dehors du parc à bœufs. [2.165]
Ne traitez pas le nouveau-né comme un ricin qu' on jette du parc à boeufs, parce qu' il a les cheveux roux et qu' il est laid. [2.415]
Fanazavana frantsayLe ricin était regardé comme une plante inutile : on l' arrachait lorsqu' il poussait dans le parc à boeufs. [2.415]

Ohabolana 4Aza manga ivelany toa goaika. [2.558 #679]
Aza manga ivelany toy ny goaika. [2.415 #4984, 2.653 #575]
Dikanteny frantsayNe soyez pas beau et bleu à l' extérieur comme le corbeau. [2.415 #4984]
Fanazavana frantsayNe soyez pas hypocrite. [2.415 #4984]

Ohabolana 5Doradora vava any ivelany fa toa olo-moana ao an-trano. [2.165 #856, 2.558 #1013]
Doradora vava any ivelany, fa toa olona moana ao an-trano. [2.415 #4746]
Dikanteny frantsayGrand parleur (litt. hâbleur) au dehors et apparemment muet chez lui. [2.165 #856]
Il ne contient pas sa langue hors de chez lui, et dans sa maison il est comme muet. [2.415 #4746]

Ohabolana 6Haingon' i Mandiavato : ka ny jabo ivelany fa ny somizy anatiny. [2.415 #2429, 2.165]
Haingon' Imandiavato: ny jabo anatiny fa ny somizo ivelany. [2.558 #83]
Dikanteny frantsayLa manière de se parer des gens de Mandiavato: ils mettent le tissu grossier en dehors (ou dessus) et la toile fine en dedans (ou dessous). [2.165]
Parure des gens de Mandiavato : ils mettent la toile grossière dessus et la toile fine dessous. [2.415 #2429]

Ohabolana 7Mody bado ivelany toy ny jirika. [2.558 #2545]
Mody bado, tahaka ny jiolahy. [2.653 #1938]

Ohabolana 8Ny ao an-trano fitahirizana fa ny any ivelany fitadiavana. [2.558 #189]

Ohabolana 9Ny mpanjatobe roa ray : anatiny mahazo ny trafony, ivelany milanja ny tratrany. [2.558 #3158]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo ny trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.653 #2354]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.415 #2228]
Dikanteny frantsayLes richards ont deux prérogatives : chez eux ils ont la bosse du boeuf, dehors ils emportent la poitrine. [2.415]

Ohabolana 10Ody tambavin-dRatialaza : mahadongadonga ny any ivelany, fa mahabotry ny ao an-trano. [2.558 #3392]

Ohabolana 11Tahaka ny fasana ity, ka ny avy any ivelany indray no miraharaha ny tompon-trano. [2.558]
Tahaka ny fasana ity: ny avy any ivelany indray no miraharaha ny tompon-trano. [2.653]
Tahaky ny fasana ity : ny avy any ivelany indray no miraharaha ny tompon-trano. [2.415 #3611]
Dikanteny frantsayIl en est de cette affaire comme du tombeau : ce sont ceux qui viennent du dehors qui délibèrent pour les maîtres de la maison. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui par insoucimce se laissent dominer. et traîner l' aile, mais nous sommes des petits d' oiseaux éclos au printemps et qui sont forts et lestes. Comparaison pour dire qu' on est capable de se faire respecter. [2.415 #3611]

Ohabolana 12Toy ny harefo, ka mahitsy ivelany fa miefitra anatiny. [2.558 #276]
Toy ny harefo : mahitsy eo ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.415 #4958]
Toy ny harefo: mahitsy ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.653]
Toy ny harefo: mahitsy ivelany fa miefitra an-kibony. [2.165 #498]
Toy ny harefo: marotsaka ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.653]
Dikanteny frantsayLes fourbes sont comme le jonc harefo qui a l' air droit extérieurement, mais a des noeuds à l' intérieur. [2.415]
Pareil au "harefo" (petit jonc): il est bien droit au dehors, mais tout cloisonné en dedans. [2.165]

Fizahan-teny