|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 amena |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany
[1.1] |
| Ohatra |
4 Vita ny amena, dia tapitra ny ainy.
[2.649]
5 Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996] |
| Voambolana | 6 Fivavahana |
| Teny iditra (2/2) | 7 Amena |
| Singan-teny | 8 amena |
| Sokajin-teny | 9 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 10 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
11 Raoely James |
| Lahatsiratra manontolo |
12 13 Tsy avona akory no mitondra 14 iny rahona iny hisavoana, 15 Fa mba toa azy koa ny foko, 16 maniry hisondrotra ambony! 17 Tonga ny taona vaovao 18 mitondra hira mavokely 19 hokaloin'ny voron'alina, 20 sombinaiko ô, mifohaza! 21 Avelao ny alahelo sy ranomaso 22 hoentin'ny reniranom-panadinoana, 23 Fa misy kintana iray baliaka 24 toy ny masonao diavolana, 25 hitarika antsika ho teraka indray 26 ao amin'ny fanantenana vaovao. 27 Amin'ny tany triatran'ny ririnina 28 no hamelatra indray ny voninkazo. 29 Sombinaiko ô, iriko ho anao 30 taona iray feno hanitra sy hira. 31 Iriko ho anao lanitra menafify 32 hampialona ny laoranjy masaka, 33 sy feon-dokanga mihararetra, miakatra 34 toy ny vavaky ny ankizy hatory. 35 Iriko ho anao ny fotoana mamy 36 hiverenan'ireo lasan-davitra; 37 ary ny tanana iray malefadefaka 38 hitondra safosafo eo an-dohanao 39 mivesatra ny onjan'ny tany. 40 Dia hiarahantsika manandratra 41 Ny Amena fiton'ny fitiavana . |
| Fivaditsoratra | amena, Amena, 42 Anema, 43 mañea |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27 |
|