|
|
|
|

Entry (1/2)1  amena
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany [1.1]
Examples  4  Vita ny amena, dia tapitra ny ainy. [2.649]
5  Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996]
Vocabulary  6  Religion and Liturgy

Entry (2/2)7  Amena
Elementary words  8  amena
Part of speech  9  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  10  Literature: poems
Author  11  Raoely James
Full text  12  Tsy avona akory no mitondra
13  iny rahona iny hisavoana,
14  Fa mba toa azy koa ny foko,
15  maniry hisondrotra ambony!

16  Tonga ny taona vaovao
17  mitondra hira mavokely
18  hokaloin'ny voron'alina,
19  sombinaiko ô, mifohaza!

20  Avelao ny alahelo sy ranomaso
21  hoentin'ny reniranom-panadinoana,
22  Fa misy kintana iray baliaka
23  toy ny masonao diavolana,
24  hitarika antsika ho teraka indray
25  ao amin'ny fanantenana vaovao.

26  Amin'ny tany triatran'ny ririnina
27  no hamelatra indray ny voninkazo.

28  Sombinaiko ô, iriko ho anao
29  taona iray feno hanitra sy hira.
30  Iriko ho anao lanitra menafify
31  hampialona ny laoranjy masaka,
32  sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
33  toy ny vavaky ny ankizy hatory.
34  Iriko ho anao ny fotoana mamy
35  hiverenan'ireo lasan-davitra;
36  ary ny tanana iray malefadefaka
37  hitondra safosafo eo an-dohanao
38  mivesatra ny onjan'ny tany.

39  Dia hiarahantsika manandratra
40  Ny Amena fiton'ny fitiavana .

Anagrams  41 amena, Amena, 42 Anema, 43 mañea

Updated on 2025/10/12