|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  babay
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka
4 sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  5 a children's game [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute.
7 On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Voambolana  8  Kilalao
Kamban-teny rehetra  9 latsaka babay, tonga babay
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)11  babay
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny malagasy  13 Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]
14 renibe [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  15 in the provinces it used for father. [Provincial] [1.2]
Voambolana  16  Fifandraisana: fianakaviana

Teny iditra (3/4)17  babay
Sokajin-teny  18  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  19 Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana
20 hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  21 an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Kamban-teny rehetra  22 saro-babay

Teny iditra (4/4)23  Babay
Sokajin-teny  24  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  25 Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i
26 Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay
27 no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary
28 mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny,
29 sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra
30 amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe
31 "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io).
32 Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro.
33 Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka".
34 Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay.
35 Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra.
36 Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo.
37 Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano
38 (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo.
39 -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra.
40 Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ;
41 be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe :
42 ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  43 a mountain in Imerina [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  44 célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Ohatra  45  Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48]
46  Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59]
47  Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Voambolana  48  Haitoetany: temdrombohitra, saha
Ohabolana  49  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  50  Soratra misy io teny io

Fivaditsoratra  51 ababy, 52 Abiba, abiba, babay, Babay, 53 ibaba

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27