|
|
|
|

Teny iditra1  Ratompokovavy
Singan-teny  2 ra-, 3 tompoko, 4 vavy
Sokajin-teny  5  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  6 teny fanajana apetraka eo alohan' ny anaran' olona efa maty [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  7 feue [1.66, 1.5]
8 la défunte, la regrettée [1.5]
Ohatra  9  ratompokovavy reninay (feue notre mère) [1.66]
10  Hitantsika ny fanajan' ny Malagasy ny Razany: fasana andaniam-bola be sy vita tsara tarehy noho ny trano itoerana, lambamena sarobidy amonosana ny faty, fiantsoana ny maty hoe " Ratompokolahy " na " ratompokovavy " , fanavaozan-dambamena manetriketrika amin' ny famadihana. [2.296]
Voambolana  11  Teny fanajana
Tovy hevitra  12 itompokovavy, itompokovavy, itompokovavy
Tohi-kevitra  13 ratompokolahy, ratompokolahy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02