Entry (1/3) | 1 volan-tsinana |
Elementary words | 2 volana, 3 tsinana |
Part of speech | 4 noun |
Explanations in French |
5 les premiers jours de la lune croissant [1.3] |
Examples |
6 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
Vocabulary | 7 Astronomy |
Entry (2/3) | 8 volan-tsinana |
Part of speech | 9 noun |
Explanations in French |
10 demi-cercle [1.3] |
Examples |
11 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
Vocabulary | 12 Mathematics: geometry |
Entry (3/3) | 13 Volan-tsinana |
Elementary words | 14 volana, 15 tsinana |
Part of speech | 16 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 17 Literature: poems |
Author |
18 Razafintsalama Josefa |
Full text |
19 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 20 nony maty, natao tsy hiposaka, 21 kanjo io ihany io mitsingerina, 22 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 23 fisehoany dia mihelontrelona , 24 fa mitsidi-mitranga milentika 25 ary impito no maty ka velona 26 fa tsy tena dia lasa mirendrika 27 iry volan-tsinana andrefana 28 mahalala fotoam-piherenana! 29 Samy faly no sady finaritra, 30 ka indreny miainga mirohotra 31 eo an-kianja hikorana maharitra 32 ireo maro kilonga isam-bohitra; 33 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 34 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 35 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 36 faingy hani-mandalo miserana 37 toraka io volan-tsinana andrefana, 38 tsy mandika fotoam-piherenana. 39 Ireo hazo amoron'ny tevana 40 velon-tsento mangina tarafiny, 41 fa ny sainy he! mihevangevana 42 ka maniry azy io hotahafiny... 43 Dia voavetso ny ela nilaozana, 44 ka ny endrika, bika, nananana, 45 no tanian-kimpody , hiaranana 46 toraka io volan-tsinana andrefana 47 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
Anagrams | 48 Volan-tsinana, volan-tsinana |
Updated on 2025/10/12 |
![]() |