|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 alobotra |
| Singan-teny | 2 alo, 3 botra |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 aretina noheverin' ny razana fa mahavoa ny zaza.
6 Vaventy nefa mihodrahodra ny zaza lazainy fa misy alobotra, mavesatra koa ny zaza izay vaventy noho ny fahasalamany dia mavibika, fa tsy mba mahavesatra toy izany. 7 Dia ambarany koa fa mpivalambalana ny zaza misy azy, ka ny fivalanana mandeha amin' izany dia mitsiloliloly, izay lazainy fa aretina mivoaka. [1.10#A.230] 8 Aretin-jaza mahatonga azy hihodrohodro, ho botabota toa matavy rano [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9 [botra, plump.] A disease of children which makes them look plump.
[1.2] |
| Ohatra |
10 fa nony nakekena, ny anankiray rombina, ary ny anankiray alobotra.
[2.69#247]
11 Mifanohitra amin' io alofisaka io kosa ny alobotra izay mahatonga ny zaza ho diso fitombo loatra ka manjary mohaka be. [2.643#213] |
| Voambolana | 12 Fahasalamana |
| Mpanahaka | 13 alofisaka |
| Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|