|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  an'  ~  an-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe any
Fanazavàna teny malagasy  3 (am- eo alohan' ny b sy ny p) Teny mpampiankina fampiasa: eo alohan' ny anaran-tsamirery, ny mpisolo anarana na mpamaritra anarana manondro (izany, itỳ, izao...):
4 a) raha atao teny fameno izy ireo: Nahita an-dRakoto aho omaly. Tsy nahalala an' izany velively izy;
5 b) raha ilazana tompon-javatra: An-dRalahy ve ireo omby ireo? Tsia, tompoko, an' izany olona avy any Antsahafiraisana izany, hono.
6 Eo alohan' ny anaran-toerana izay aorian' ny mpamaritra matoanteny milaza toerana koa: Lasa any an-tsena izy, fa tsy any am-pantsakana akory
7 Hoenti-misolo ny amin- mba hilazana fomba na toetra: Mihira an-kafaliana (amin-kafaliana) ny ankizy [1.1]
Ohatra  8  Inty ho an' Ingahy Sefo [2.470#36]
9  an' iza moa ity loha ity? [2.528#92]
10  Inona no ezaka atao hanapariahana an' izany? [4.27#2007/08/10]
11  Dia nanao an-tsitri' Ifara [2.69#140]
12  Nidina teny an-tanimbary izy [2.442#74]
13  Efa natao avokoa izay handre-sena lahatra an' i Dada tany an-tsena [2.445#80]
Haiendriteny 
14  Tsotra :

Teny iditra (2/5)15  an~
Sokajin-teny  16  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  17 Tovona fanaovana fototeny faharoa tsy dia manan-kevitra manokana: Anjara (zara), anjaika (zaika) [1.1]

Teny iditra (3/5)18  ~an~
Sokajin-teny  19  tsofoka [Fitanisana]

Teny iditra (4/5)20  an    
Sokajin-teny  21  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  22 iray, anankiray [1.17]

Teny iditra (5/5)23  an    
Sokajin-teny  24  anarana
Fanazavàna teny malagasy  25 taona, herintaona, taona nahaterahana:
26 il y a dix ans qu'il est mort, folo taona izay no fahafatesany;
27 il y a eu un an d'intervalle entre la mort de ces deux époux, nifarenintaona no nahafatesan' izy mivady [1.4]
Fanazavàna teny frantsay  28 taona: an l'an 2000, amin' ny taona roa arivo
29 herintaona: dans un an, afaka herintaona; sa maladie a duré un an, naharitra herintaona ny aretiny [1.66]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17