|
|
|
|

Teny iditra1  anaran-tsamirery
Singan-teny  2 anarana, 3 samy, 4 irery
Sokajin-teny  5  anarana
Fanazavàna teny malagasy  6 Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby
7 na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy.
8 Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra.
9 Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery:
10 ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo),
11 ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro),
12 ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy).
13 Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny
14 anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy,
15 ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy.
16 Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo. [1.146#41]
Fanazavàna teny anglisy  17 name [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  18 nom propre [3.1]
Ohatra  19  Tokony ho anaram-bosotra tsotra izy io rehefa tsy anaran-tsamirery [1.519]
Voambolana  20  Haiteny

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17