|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  angamenavava
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Anaran-kafa ilazana ny rameva [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a camel [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  5 dromadaire [1.54]
Ohatra  6  Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao; [2.996#]
Voambolana  7  Haibiby: mampinono
Mpanahaka  8  angamia, 9  rameva
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)11  angamenavava
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny malagasy  13 Bibikely toa misy afo mazava amin' ny alina. Roa karazana izy ireny:
14 -- ny iray irony hita eny am-pefiloha ka ataon' ny Vahiny hoe Glow worm na kankana misy afo, fa aty amintsika kosa ataon' ny olona hoe Tainkankana;
15 -- ny iray hafa kosa irony manidintsidina amin' ny alina, izay misy afo mitselatselatra sahala amin' ny jiro avy ao ambany elany (Fire fly) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16 the fire-fly [1.2]
17 a firefly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  18 ver luisant [1.8]
19 luciole [3.1]
Ohatra  20  angamenavava hariva, ka samy mitsilotsilo izay halehany [2.345#]
21  Efa fantatsika fa ny biby atao hoe angamenavava dia misy hazavana saiky tahaka ny afo aza, raha mandeha alina izy [1.357#]
Voambolana  22  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Mpanahaka  23  tainkankana
Kamban-teny rehetra  24 samy mitsilo ny alehany toa angamenavava

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09